jeudi 28 juillet 2016

Ankizivavy kely mahafatifaty mihira ny hiran'i Eric Manana





Ankizivavy kely mahafatifaty indray no mihira hoantsika androany ny hiran'i Eric manana hoe "Izaho tsy maintsy mihira". Fenosoa Amélia no anarany , zazavavy malagasy métisy Italianina izy io.
Koa sady nataony tamin'ny teny Italianina no misy kely ihany koa tamin'ny teny gasy ilay hira izay niarahany niangaly tamin'ireo namany maromaro.  La palma dell'Acqua mo ny titre nomeny ilay hira tamin'ny teny Italianina.
Ankafizo ary e.





Ity ambany ilay hira nataon'i Eric Manana:


Ity ny tonony amin'ny teny gasy:

Izaho tsy maintsy mihira Voninkazo iray Mitranga tampotampoka Eny antampon'ny havoana Izaho tsy maintsy mihira Zazavavy iray Mihazakaza-dava Tsy fantatro hoe nahoana REF(bis): Hihira aho(bis) Hihirahira mafy Hoanareo manatrika eto Izaho tsy maintsy mihira Mihira an'ilay jamba Mikaroka ny volany Amin'ny ali-maizimpito Izaho tsy maintsy mihira Vazon'ny mahantra Tsy mba niala sasatra Amin'ny andro fahafito REF(bis) Izaho tsy maintsy mihira Vodilanitra efatra Nampizarazara izao tontolo izao Izaho tsy maintsy mihira Ireo sasany nandefitra Tsy afaka niteny Nareo no nilalao REF(bis)

Ampidiro eto izay tianao ambara